Chaque attitude, chaque geste compte pour combattre la misère et l’exclusion. Il existe de multiples manières d’agir, quelles que soient nos compétences et notre disponibilité. Ces messages, ces témoignages sont l’expression d'un engagement personnel autant que collectif avec d'autres citoyens. N’hésitez pas à apporter votre contribution.

Les témoignages sont publiés sous la responsabilité de leur auteur. Ils sont soumis à validation : ils ne seront publiés que s’ils respectent, sur la forme et sur le fond l’esprit de cette journée tel que défini dans la Charte internationale 17 octobre.

 

Tsy misy olona atao ankilabao : miara-mandinika, miara-manapaka, miara-miasa hanohitra ny fahantrana lalina.

Tena manan-danja tokoa io lohahevitra io satria mampitodika ny olona rehetra amin’ny ady amin’ny fahantrana. Ny olona tsirairay dia manan-jo hiaina an-kalalahana ; betsaka anefa ny olona no mbola voagejan’ny fahantrana lalina. Fomba ahoana no ataontsika mba hampanajana izany zo aman-kasina maha-olona izany eo amin ‘ny fiaraha-monina misy antsika?

Ny nataonay sampana any Mahajanga voalohany dia ny fifampidinihana mikasika ny fomba hahazoan’ny olona tsy nanana sora-piankohonana kôpia nahaterahana. Betsaka manko ireo olona nampiterahan’ny renin-jaza tany an-trano no tsy manana kôpia satria maro amin’ireo renin-jaza ireo no mbola tsy afaka manao fanambaràm-piterahana any amin’ny Firaisam-pokontany.

Miara-miasa amin’ny Fokontany izahay ary mamonjy fivoriam-pokontany mba hahafantatra ny olona. Izany no nahalalanay ireo olona tsy manana sora-piankohonana. Misy ihany koa ireo ankizy sy ray aman-dreny fantatray tamin'ny alalan'ny famakiam-boky an-kalamanjana.

Rehefa fantatray hoe nisy ankizy maro tsy nanana sora-piankohonana, dia tonga tao an-tsainay avy hatrany hoe very zo izy ireo, indrindra fa ny zo hahazo fanabeazana. Raha tsy voavaha io olana io, dia ho sahirana izy ireo rahatrizay lehibe haka kara-panondrom-pirenena.

Ny olona tsy manana kara-panondro anefa dia tsy afaka hanana asa ara-dalana, mivezivezy etsy sy eroa izy ireny fa tsy afaka hahita asa. Ny olona tsy manana kara-panondro koa dia ailikiliky ny fiaraha-monina, lasa anjorom-bala izy satria tsy afaka handray anjara amin'ny fiainan'ny kartie sy ny fiainam-pirenena…

Nanapa-kevitra àry izahay fa hiaraka amin’ireo fianakaviana sahirana eo amin’ny kartie-n’Ambalavola sy Ambondrona mba hanohana azy amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ilaina.

Mahatsiaro manokana an’Andriamatoa BILAO, raim-pianakaviana manan-janaka tsy manana sora-piankohonana izahay. Tena natahotra mafy ny hankany amin’ny birao izy satria efa niaina fanilikilihana koa tamin’ny fikarakarana antontan-taratasy, toy ny olona maro miaina ao anaty fahantrana lalina. Nolazainy taminay ny tahony ary nanontaniany izahay sao havezivezin’ireo tompon'andraikitra sy hampandoaviny vola be…

Lava ny lalana tsy maintsy aleha vao mahazo kôpia ary betsaka koa ny varavaran'ny birao tsy maintsy idirana. Tsy maintsy mankany amin’ny Firaisam-pokontany aloha maka ny taratasy hofenoina. Rehefa feno io dia averina any amin’ny Firaisam-pokontany indray hohamarininy. Manaraka izany dia entina any amin’ny BMH (Birao Fandraharahana Ara-pahasalamana) ary aorian’izany dia tsy maintsy mankany amin’ny Tribonaly. Ny fianakaviana tena sahirana toa an’Andriamatoa BILAO dia tena matahotra mafy io toerana io. Tsy misy antony tokony handehanana any amin’ny tribonaly, hoy izy ireo, raha sady tsy nangalatra no tsy namono olona.

Mandritra izany dingana rehetra izany dia manohana azy foana izahay, miara-mandeha aminy mba hahazoany ny kopian’ny sora-piankohonana. Tena olana goavana tokoa ny tahotra ny tribonaly, hany ka raha misy fianakaviana iray tsy tonga amin’ny fotoana manaraka, dia andehanana any amin’ny kartie misy azy izy ary dia miara-mankany amin'ny tribonaly izahay.

Ankizy 15 ka hatramin’ny 20 eo ho eo no indray tohanana ary lava be ny fotoana iandrasana ny valim-pangatahana. Ireo ray aman-dreny sy ny vavolombelona ihany no mamaly ny fanontaniana, fa izahay kosa dia miara-mijoro aminy eo fotsiny.

Manentana any amin’ny faritra misy azy ny namana mpiara-dia sasany ary miara-mandinika aminay izay fomba hahazoan’ny ankizy kôpia. Samy manao ezaka any amin’ny misy azy avy any izahay na dia tsy manao asa iombonana mivantana any amin’ny kartie intsony aza.

Izahay any Mahajanga manko dia tsy misy mpirotsaka an-tsitra-po, fa ny fianakaviana sahirana sy izahay namana mpiara-dia no mitantana ny Fikambanana. Ireo mpirotsaka an-tsitra-po any Antananarivo no manohana anay amin'ny firotsahanay.

Ny ohatra faharoa amin'ny firotsahana dia ny an'i Joël. Tanora lahy 25 taona, miaina ao anatin'ny fahantrana lalina izy. Monina any amin’ny faritra misy fianakaviana tena sahirana maro be izy. Maro ny latsakemboka aloa amin’io kartie io ary matetika no tsy mahavita ny adidiny ny olona tena sahirana. Miteraka fanilikilihana ataon’ny manodidina azy ireo izany.

Nisy olona maty tao amin’ny faritra ipetrahan’i Joël. Olona tena sahirana io maty io sy ny fianakaviany ary anisan’ny olona tsy nahaloa latsakemboka ry zareo. Tsy nojeren’ny ny mpikambana ao amin’ny Kômitim-pokontany akory ny razana ary tsy tonga namangy ny fianakaviany koa ry zare. Notenenin’i Joël tamin’ny namany izany ary niara-nanapa-kevitra izy ireo fa hanampy ny fianakaviana mana-manjo.

Nitety trano izy ireo, nampahafantatra ny zava-nisy, nangataka fanampiana ary nanazava fa noho ny fahantrana lalina nianjady taminy no antony tsy nahefany ny adidiny. Tena nanampy be tokoa ny olona. Ny sasany nanome vary ary ny hafa nanome vola.

Nanao lisitra mazava tsara izy ireo mikasika ny fanampiana rehetra voarainy. Afaka nividy fafana (hazofisaka) nanamboarana vatam-paty tamin’ny vola voangona izy ireo. Nijanona niari-tory niaraka tamin’ireo mana-manjo i Joël sy ny namany ary rehefa nahita ny ezaka nataon’ireo tanora ireo ny mponina, dia mba tonga namangy sy nipetrapetraka, namita adidy ihany koa. Ny maraina, vao mangiran-dratsy dia lasa i Joël sy ireo namany nihady fasana ary voalevina tahaka ny olona rehetra ihany ny maty.

Taorian’io toe-javatra io dia nanorina fikambanana kely izay mbola mijoro mandraka ankehitriny ireo tanora ireo mba hanohizana ny fiatrehana ny fiaraha-miady amin’ny fahantrana lalina izay tsy azo ekena.

Efa 25 taona izay no nitokanana ity Takelabato ho fanomezam-boninahitra ireo maty noho ny fahantrana lalina ity ny eto La Réunion. Manainga antsika hivondrona mba hampanajana ny Zon'olombelona ity Takelabato ity.

Any Madagasikara, mbola tsy manana Takelabato izahay fa mbola eo am-panomanana hanana amin’ny herin-taona. Ny lohahevitra natolotry ny ONU antsika hoe: “Tsy misy olona atao ankilabao: miara-mandikina, miara-manapaka, miara-miasa hamongorana ny fahantrana lalina” dia mifandraika amin’ny fehezanteny voasoratra eo amin’ny Takela-bato ho fanomezam-boninahitra ireo maty noho ny fahantrana lalina hoe: “Na aiza na aiza misy olona voatery hiaina ao anaty fahantrana lalina dia voahosihosy ny zon’olombelona. Adidy masina ny firaisan-kina hampanajana izany zo izany”.

(Mompera Joseph Wresinski)

Misaotra tompoko.

forum refuser la misère